FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 4:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Dia nonina tsy amin’ahiahy+ ny Joda+ sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny+ ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.+

  • Isaia 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Aza mihaino an’i Hezekia, fa izao no nolazain’ny mpanjakan’i Asyria: “Meteza hitolo-batana amiko,+ ka mivoaha hankatỳ amiko, dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny+ avy ianareo, ary samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka fanangonan-dranony,+

  • Hosea 2:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia+ sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. Hofoanako tsy ho eo amin’ilay tany ny tsipìka sy ny sabatra ary ny ady.+ Ary hataoko mandry feizay izy ireo.+

  • Mika 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny+ izy, ary tsy hisy hampangovitra azy,+ fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara