FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tsy noho ny fahamarinanao+ na ny hitsim-ponao+ mantsy no hidiranao ao amin’ny tanin’izy ireo sy hakanao izany ho fanananao. Fa noho ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo no handroahan’i Jehovah Andriamanitrao azy tsy ho eo anatrehanao.+ Nandroaka azy ireo koa i Jehovah mba hanatanterahany ny fianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razanao.

  • Daniela 9:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Aoka ianao hanongilan-tsofina ka hihaino,+ ry Andriamanitro ô! Ahirato ny masonao ka jereo ny faharavan’ny tanànanay izay nantsoina tamin’ny anaranao.+ Fa tsy noho ny fahamarinanay no italahoanay eto anatrehanao,+ fa noho ny famindram-ponao lehibe.+

  • Romanina 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 araka ny voasoratra hoe: “Tsy misy olo-marina, na iray akory aza.+

  • Romanina 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota,+ ary fiainana mandrakizay+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika+ kosa no fanomezana+ omen’Andriamanitra.

  • Galatianina 3:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa mifanohitra amin’ny fampanantenan’Andriamanitra àry ve ny Lalàna?+ Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna nahavita nanome fiainana,+ dia ho ny lalàna no nahatonga ny olona ho marina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara