FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 141:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Raha mamely ahy ny olo-marina, dia raisiko ho hatsaram-panahy feno fitiavana izany.+

      Ary raha mananatra ahy izy, dia toy ny menaka ahosotra amin’ny loha izany+

      Ka tsy holavin’ny lohako.+

      Fa hivavaka ho azy mihitsy aza aho raha misy loza manjo azy.+

  • Isaia 61:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ary hanome fehiloha ho solon’ny lavenona ho an’ireo ory+ noho ny amin’i Ziona, sy menaka fifaliana+ ho solon’ny fahoriam-po, ary akanjo fiderana ho solon’ny harerahan-tsaina.+ Izy ireo dia hantsoina hoe hazon’ny fahamarinana,+ izay nambolen’i Jehovah+ mba hahatsara tarehy azy.+

  • Lioka 10:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Koa nanatona izy, ary nofeheziny ny ratrany sady nasiany menaka sy divay.+ Avy eo, dia nataony teo ambony ampondrany izy, ka nentiny tany amin’ny tranombahiny ary nokarakarainy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara