-
Genesisy 28:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Hitany koa fa io i Jehovah teo an-tampon’ilay tohatra, niteny hoe:
“Izaho no Jehovah, ilay Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Isaka.+ Homeko anao sy ny taranakao ity tany ity sy io toerana atorianao io.+ 14 Dia ho lasa be dia be hoatran’ny vovoka amin’ny tany ny taranakao,+ ka hiparitaka any andrefana sy any atsinanana sy any avaratra ary any atsimo. Ary azo antoka fa amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana* ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+
-