-
Genesisy 39:7-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Tatỳ aoriana, dia nanomboka nijerijery an’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka niteny hoe: “Avia hanao firaisana amiko.” 8 Tsy nety anefa izy fa niteny tamin’ny vadin’ny tompony hoe: “Tsy mieritreritra intsony an’izay ato an-trano ny tompoko, fa efa nampiandraiketiny ahy daholo izay rehetra ananany. 9 Tsy misy manana fahefana noho izaho ato amin’ity trano ity, ary tsy nisy na inona na inona nandrarany ahy afa-tsy ianao, satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana ny hanao an’izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?”+
-