Eksodosy 33:22, 23 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 22 Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin’ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.”+ Nomery 12:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Miresaka mivantana aminy mihitsy aho,+ sady miresaka mazava tsara, fa tsy mampiasa teny saro-pantarina. Ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?” Deoteronomia 34:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara*+ hoatran’i Mosesy+ mihitsy anefa teo amin’ny Israely. Jaona 1:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy,+ fa ilay hany andriamanitra nateraka,+ izay eo akaikin’ny Ray,*+ no nanazava ny momba Azy.+ Jaona 6:46 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 46 Tsy nisy nahita ny Ray,+ afa-tsy ilay avy any amin’Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray.+ Asan’ny Apostoly 7:38 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 38 Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely+ niresaka taminy+ tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, sy niaraka tamin’ny razambentsika. Ary izy no nandray ny teny masina sady velona, mba homena antsika.+
22 Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin’ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.”+
8 Miresaka mivantana aminy mihitsy aho,+ sady miresaka mazava tsara, fa tsy mampiasa teny saro-pantarina. Ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?”
10 Mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara*+ hoatran’i Mosesy+ mihitsy anefa teo amin’ny Israely.
18 Mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra mihitsy,+ fa ilay hany andriamanitra nateraka,+ izay eo akaikin’ny Ray,*+ no nanazava ny momba Azy.+
38 Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely+ niresaka taminy+ tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, sy niaraka tamin’ny razambentsika. Ary izy no nandray ny teny masina sady velona, mba homena antsika.+