FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 33:55
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 55 “‘Fa raha tsy roahinareo hiala eo anatrehanareo ny mponina ao amin’ilay tany,+ dia ho toy ny zavatra malailay amin’ny masonareo ny olona avelanareo hijanona ao, sady ho toy ny tsilo eo amin’ny andilanareo. Hampijaly anareo ry zareo, eo amin’ilay tany hipetrahanareo.+

  • Mpitsara 1:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary niady tamin’ny mponin’i Jerosalema ny taranak’i Joda,+ ka nandresy an’ilay tanàna. Koa nasian’izy ireo tamin’ny sabatra ny olona nipetraka tao, ary nodorany ny tanàna.

  • Mpitsara 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Tsy noroahin’ny Benjaminita kosa ny Jebosita nipetraka tao Jerosalema, fa mbola miara-mipetraka amin’izy ireo ao ihany hatramin’izao.+

  • Mpitsara 19:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Efa ho maizina ny andro, rehefa tonga teo akaikin’i Jebosa izy ireo. Dia hoy ilay mpanompo tamin’ny tompony: “Sao dia tokony hijanona ao amin’itsy tanànan’ny Jebosita itsy isika, dia hatory ao androany alina?”

  • 2 Samoela 5:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nandeha nankany Jerosalema ny mpanjaka sy ny olony mba hanafika an’ireo Jebosita+ nipetraka tao amin’ilay tany. Koa nanesoeso an’i Davida izy ireo hoe: “Tsy ho tafiditra eto mihitsy ianao! Na ny jamba sy ny kilemaina aza hahatohitra anao.” Nieritreritra mantsy ry zareo hoe: ‘Tsy ho tafiditra eto mihitsy i Davida.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara