1 Samoela 2:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Ary ny zanakalahin’i Ely dia olona ratsy fanahy.+ Tsy niraharaha an’i Jehovah izy ireo. 1 Samoela 2:22 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 22 Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo. 1 Samoela 4:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Koa nitantara ilay mpilaza vaovao hoe: “Nandositra an’ireo Filistinina ny Israely, ary resy tanteraka ny olona.+ Maty koa i Hofinia sy Finehasa zanakao mirahalahy,+ ary lasa babo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.”+
22 Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo.
17 Koa nitantara ilay mpilaza vaovao hoe: “Nandositra an’ireo Filistinina ny Israely, ary resy tanteraka ny olona.+ Maty koa i Hofinia sy Finehasa zanakao mirahalahy,+ ary lasa babo ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.”+