FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 7:12-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny zanakao lahy.* Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 13 Izy no hanorina trano ho an’ny anarako,+ ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakany.+ 14 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.+ Rehefa manao fahadisoana izy, dia hanariko* ka hokapohiko hoatran’ny fanaon’ny zanak’olombelona.*+ 15 Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho, fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’i Saoly,+ izay nesoriko teo anatrehanao. 16 Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+

      17 Noresahin’i Natana tamin’i Davida àry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.+

  • 1 Mpanjaka 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakanao eo amin’ny Israely, araka ny nampanantenaiko an’i Davida rainao hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely.’+

  • 1 Tantara 28:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary tamin’ny zanako rehetra—fa be dia be ny zanaka nomen’i Jehovah ahy+—dia i Solomona+ zanako no nofidiny mba hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah eo amin’ny Israely.+

  • Jeremia 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “Henoy izao!”, hoy i Jehovah. “Ho avy ny andro hampipoirako tsimoka* marina+ ho an’i Davida. Hisy mpanjaka hitondra+ eo amin’ilay tany. Ho lalin-tsaina izy ary hanao ny rariny sy ny hitsiny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara