-
Jeremia 5:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Dia tian’ny vahoakako erỳ izany!+
Koa ahoana no hataonareo rehefa tonga ny farany?”
-
-
Jeremia 6:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Samy maka tombony azo amin’ny tsy marina+ ny olona, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+
14 Miezaka manasitrana ny ratran’ny* vahoakako izy ireo nefa ataony zara fa vita izany, ka hoy izy ireo:
‘Fiadanana! Fiadanana!’
Nefa tsy misy fiadanana akory.+
-
-
Jeremia 27:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “‘“‘Hosaziko ny firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, sy tsy mety mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona. Hamely azy amin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana aho’, hoy i Jehovah, ‘mandra-pandringako azy amin’ny alalan’i Nebokadnezara.’
9 “‘“‘Koa aza mihaino an’ireo mpaminany, mpisikidy, mpanonofy, mpimasy, ary ireo mpilalao ody eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!” 10 Maminany lainga aminareo mantsy izy ireo, ka raha mihaino azy ianareo dia hoentina lavitra tsy ho eo amin’ny taninareo. Ary haparitako ianareo dia ho ripaka.
-