-
Ezekiela 21:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra.+ Efa hiova ny zava-drehetra.+ Ataovy misandratra ny olona ambany,+ dia ataovy mietry ny olona ambony.+ 27 Horavako, horavako, horavako izany,* ka tsy ho lasan’iza na iza mihitsy, mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna hahazo an’izany.+ Dia homeko azy izany.’+
-
-
Daniela 7:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Mbola nijery ihany aho, tao amin’ilay fahitana hitako tamin’ny alina. Dia iny nisy hoatran’ny zanak’olona+ nanatona, niaraka tamin’ny rahon’ny lanitra. Nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be+ izy, ka nentina teo anatrehany. 14 Ary nomena fitondrana+ sy voninahitra+ ary fanjakana izy, ka tokony hanompo azy daholo ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.+ Ny fitondrany dia fitondrana haharitra mandrakizay fa tsy handalo fotsiny, ary ny fanjakany tsy ho rava.+
-