FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy hiala amin’i Joda mihitsy ny tehim-panjakana,+ ary tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana, mandra-pahatongan’i Silo.*+ Dia hankatò an’i Silo ny firenena rehetra.+

  • Salamo 89:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 “Efa nanao fifanekena tamin’ilay voafidiko aho,+

      Ary efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko+ hoe:

       4 ‘Hataoko maharitra mandrakizay ny taranakao,+

      Ary hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny seza fiandriananao.’”+ (Sela)

  • Salamo 110:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 110 Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko:

      “Mipetraha eto ankavanako+

      Mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”+

  • Isaia 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Fa misy zaza teraka ho antsika,+

      Zazalahy no homena antsika,

      Ary ho eo am-pelatanany* ny fahefana.*+

      Ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga,+ Andriamanitra Mahery,+ Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana.

  • Isaia 11:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Amin’izany andro izany, dia hisy fakan’i Jese+ hitsangana toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ny vahoaka.+

      Any aminy ny firenena no hangataka tari-dalana,*+

      Ary ho be voninahitra ny fonenany.*

  • Lioka 1:32, 33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Hiavaka izy+ ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra,+ ary homen’i Jehovah* Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy.+ 33 Dia ho Mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.”+

  • Apokalypsy 5:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Hoy anefa ny iray tamin’ny anti-panahy tamiko: “Aza mitomany intsony. Efa nandresy+ mantsy ilay Liona avy amin’ny fokon’i Joda,+ ilay fakan’i+ Davida,+ ka ho afaka hanokatra an’ilay horonam-boky sy ny tombo-kaseny fito.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara