-
Eksodosy 34:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo+ sy mangoraka,*+ tsy mora tezitra,+ tena be fitiavana sy tsy mivadika*+ sady tena tia fahamarinana,*+ 7 be fitiavana sy tsy mivadika amin’olona an’arivony,+ mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana,+ kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka,+ fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.”+
-
-
Nehemia 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tsy nety nihaino ry zareo+ ary tsy notadidiny ny asa mahatalanjona nataonao ho azy. Lasa mafy loha* koa izy ireo ka nanendry olona hitarika azy hiverina ho andevo tany Ejipta indray.+ Tsy nahafoy+ azy anefa ianao satria Andriamanitra vonona hamela heloka* sady mangoraka,* mamindra fo, tsy mora tezitra, ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.*+
-