FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 24:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Rehefa misy voan’ny habokana,* dia araho tsara izay toromarika rehetra lazain’ny Levita mpisorona aminareo.+ Araho an-tsakany sy an-davany izay nandidiako azy ireo.

  • 2 Tantara 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tsy nanompo an’ilay tena Andriamanitra ny Israely, nandritra ny fotoana ela,* sady tsy nanana mpisorona nampianatra azy, ary tsy nanana lalàna koa.+

  • Nehemia 8:7, 8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka+ ny Levita sasany, dia i Jesoa, Bany, Serebia,+ Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada,+ Hanana, ary Pelaia. Mbola nitsangana ihany ny vahoaka tamin’izay. 8 Ary nanohy namaky mafy an’ilay boky misy ny Lalàn’Andriamanitra ny Levita, ka nohazavain’izy ireo mazava tsara ny dikany. Nampiany hahazo ny dikan’izay novakiny àry ny olona.*+

  • Ezekiela 44:23, 24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 “‘Tokony hampianatra ny vahoakako izy ireo hoe inona no maha samy hafa ny zavatra masina sy ny zavatra tsy masina, sy ny maha samy hafa ny zavatra maloto sy ny zavatra madio.+ 24 Izy ireo no tokony hitsara rehefa misy raharaha hotsaraina,+ ka hitsara mifanaraka amin’ny didim-pitsarana navoakako.+ Tokony harahiny koa ny lalàko sy ny fitsipiko momba ny fety rehetra,+ ary tokony hohamasininy ny sabatako.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara