FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 4:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Fa hoy i Jesosy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah* Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’”*+

  • Asan’ny Apostoly 14:12-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia nantsoiny hoe Zeosy* i Barnabasy, fa i Paoly kosa Hermesy* satria izy foana matetika no niteny. 13 Ary nitondra omby sy fehiloha voninkazo nankeny amin’ny vavahady ny mpisoron’i Zeosy, fa teo amin’ny fidirana amin’ilay tanàna ny tempolin’izy io. Ary te hanao sorona niaraka tamin’ny vahoaka ilay mpisorona.

      14 Rehefa naheno an’izany anefa i Barnabasy sy Paoly, izay samy apostoly, dia nandrovitra ny akanjony ary nihazakazaka nankeo amin’ny vahoaka. Dia niantsoantso izy ireo hoe: 15 “Ô rey olona a, fa maninona ianareo no manao an’izao? Olombelona ihany ange izahay e, hoatr’anareo ihany!+ Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zavatra tsy misy dikany izao, ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.+

  • Apokalypsy 19:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tamin’izay dia niankohoka teo an-tongotr’ilay anjely aho mba hivavaka taminy. Hoy anefa izy tamiko: “Tandremo! Aza manao an’izao!+ Andriamanitra no ivavaho!+ Fa mpanompo ihany aho, hoatr’anao sy ny rahalahinao izay manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.+ Ny fitoriana momba an’i Jesosy mantsy no antony nanoratana ny faminaniana.”+

  • Apokalypsy 22:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izaho Jaona no naheno sy nahita an’ireo zavatra ireo. Rehefa naheno sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo an-tongotr’ilay anjely nampiseho an’ireo tamiko. 9 Hoy anefa izy tamiko: “Tandremo! Aza manao an’izao! Fa mpanompo ihany aho, hoatr’anao sy ny mpaminany rahalahinao, ary hoatran’ireo manaraka ny teny ato amin’ity horonam-boky ity. Andriamanitra no ivavaho.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara