FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Korintianina 16:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Mahakasika an’ilay fanangonam-bola ho an’ny olona masina,+ dia azonareo arahina ny toromarika nomeko ho an’ireo fiangonana any Galatia.

  • 2 Korintianina 8:1-4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary tianay hampahafantarina anareo, ry rahalahy, ny momba ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra tamin’ireo fiangonana atỳ Makedonia.+ 2 Niaritra fitsapana faran’izay mafy tao anatin’ny fahoriana izy ireo. Vao mainka nalala-tanana be anefa izy ireo satria falifaly foana na dia nahantra be aza. 3 Fa araka izay zakany+ no nataony, ary mihoatra noho izay zakany mihitsy aza.+ Vavolombelona aho fa tena marina izany. 4 Izy ireo mihitsy no niangavy mafy anay foana mba havela* hanao fanomezana amim-pitiavana, ka handray anjara amin’ny fanompoana ho fanampiana an’ireo olona masina.+

  • 2 Korintianina 9:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Fantatro mantsy fa vonona hanampy ianareo, ary izany no ireharehako amin’ny Makedonianina, dia ny hoe efa hatramin’ny herintaona i Akaia no vonona. Ary nandrisika ny ankamaroan’izy ireo ny hafanam-ponareo.

  • 2 Korintianina 9:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tsy natao hanomezana an’izay ilain’ireo olona masina fotsiny mantsy izao fanompoana ho an’ny besinimaro izao,+ fa natao koa mba ho be dia be ny olona hisaotra an’Andriamanitra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara