-
Romanina 15:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Fa nahafinaritra an’ireo rahalahy any Makedonia sy atỳ Akaia ny nanome ny fananany, mba hanampiana an’izay mahantra amin’ny olona masina any Jerosalema.+ 27 Marina fa nahafinaritra azy ireo ny nanao an’izany, nefa koa tena trosa tokony haloany amin’izy ireo izany. Raha nahazo tamin’ny harena ara-panahin’ny olona masina mantsy ny hafa firenena, dia mba adidiny kosa ny mikarakara* azy ireo ka manome an’izay zavatra ilainy andavanandro.+
-
-
2 Korintianina 8:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Tiako kosa raha mba misy fitoviana eo aminareo ka hameno izay tsy ampy eo amin’izy ireo ny ambim-bavanareo. Amin’izay dia mba hameno ny tsy ampy eo aminareo koa ny ambim-bavan’izy ireo ka hisy fitoviana,
-