FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 17:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Niala tao an-tany efitr’i Sina+ ny vahoakan’Israely manontolo, ka nifindrafindra toerana araka ny baikon’i Jehovah.+ Dia nitoby tany Refidima+ izy ireo. Tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka anefa tao.

      2 Koa nila ady tamin’i Mosesy ny vahoaka,+ ka niteny hoe: “Omeo rano izahay hosotroinay.” Fa hoy i Mosesy: “Maninona ianareo no mila ady amiko? Nahoana ianareo no mitsapa an’i Jehovah foana?”+ 3 Main’ny hetaheta anefa ny vahoaka rehefa tany, ka nimenomenona tamin’i Mosesy foana+ hoe: “Fa maninona izahay no nentinao niakatra avy tany Ejipta? Tianao ho fatin’ny hetaheta atỳ angaha izahay sy ny zanakay ary ny biby fiompinay?”

  • Nomery 14:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israelita rehetra.+ Dia nanohitra azy roa lahy ny vahoaka manontolo, hoe: “Naleonay maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra!

  • Nomery 14:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nifampiresaka mihitsy aza izy ireo hoe: “Andao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara