FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Romanina 3:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Fa natolotr’Andriamanitra ho fanatitra fampihavanana*+ i Kristy, mba hihavana aminy izay mino ny rany.+ Nanao an’izany Andriamanitra mba hampisehoana hoe marina Izy, satria be fandeferana Izy ka namela ny fahotana natao tamin’ny lasa.

  • Efesianina 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Io Zanany io no nampiasaina mba hanafahana antsika amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, ka nahazoantsika famelan-keloka+ noho ny rany.+ Tena lehibe mantsy ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.

  • Hebreo 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 mainka fa ny ran’i Kristy!+ Natolony ho sorona tsy misy tsiny ho an’Andriamanitra mantsy ny tenany noho ny fiasan’ny fanahy masina mandrakizay. Ny rany koa no manadio ny feon’ny fieritreretantsika, ka tsy manao asa tsy misy dikany*+ intsony isika. Amin’izay isika dia ho afaka hanao fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.+

  • Hebreo 10:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 dia andao isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo madio sy amim-patokisana tanteraka, satria ny fontsika efa voadio* ho afaka amin’ny feon’ny fieritreretana maloto,+ ary ny vatantsika efa voasasa tamin’ny rano madio.+

  • Apokalypsy 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 ary avy amin’i Jesosy Kristy, “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana”,+ “ilay lahimatoa amin’ny maty”,+ ary “ilay Mpitondra ny mpanjakan’ny tany!”+

      Ho an’ilay tia antsika+ sy nanafaka antsika tamin’ny fahotantsika, tamin’ny alalan’ny rany,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara