FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Daniela 12:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Mandritra an’izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela,*+ ilay andriana lehibe,+ izay mitsangana hiaro ny firenenao.* Dia hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy hoatr’izany, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany. Mandritra an’izany fotoana izany, dia ho afaka handositra ny firenenao,+ izany hoe izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.+

  • Filipianina 4:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary mangataka anao aho, ry ilay tena mpiara-miasa* amiko, mba hanampy azy roa vavy foana. Niezaka be* nitory ny vaovao tsara niaraka tamiko mantsy izy roa vavy, sady niaraka tamin’i Klementa sy ny mpiara-miasa amiko hafa, izay samy voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana.+

  • Apokalypsy 13:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia hivavaka aminy daholo ny mponina eto an-tany. Efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao ny anaran’izy ireo no tsy nisy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.+ An’ilay Zanak’ondry efa novonoina ho faty+ io horonam-boky io.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara