Zakaria
7 Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosy+ Mpanjaka, dia tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Jehovah, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, izany hoe ny volana Kisleo.+ 2 Ary nirahin’ny mponin’i Betela i Sarezera mbamin’i Regema-meleka sy ny olony, mba hitady sitraka+ amin’i Jehovah, 3 ka hanontany an’ireo mpisorona+ tao an-tranon’i Jehovah Tompon’ny tafika sy hanontany ny mpaminany, hoe: “Tokony hitomany ve aho amin’ny volana fahadimy,+ ka hifady hanina, toy ny efa nataoko tao anatin’izay taona maro be izay?”+
4 Ary mbola tonga tamiko ny tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, nanao hoe: 5 “Lazao amin’ny olona rehetra eto amin’ity tany ity sy amin’ny mpisorona hoe: ‘Ho ahy tokoa ve no nifadianareo hanina+ tamin’ianareo nifady hanina+ sy nidradradradra, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito,+ nandritra ny fitopolo taona?+ 6 Ary rehefa nihinana sy nisotro ianareo, tsy ho an’ny tenanareo ihany ve no nihinananareo sy nisotroanareo? 7 Tsy tokony ho nankatò ny teny+ nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminany+ fahiny ve ianareo, fony mbola nisy mponina i Jerosalema sady niadana, ary mbola teo daholo ny tanàna rehetra nanodidina azy, ary mbola nisy mponina i Negeba+ sy Sefela?’”+
8 Ary mbola tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: 9 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Mitsarà araka ny rariny sy ny hitsiny.+ Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy feno fitiavana,+ sy hifaneho famindram-po.+ 10 Aza manambaka ny mpitondratena+ na ny kamboty ray+ na ny vahiny monina eo aminareo+ na ny ory,+ ary aza mamorona teti-dratsy ao am-ponareo+ hamelezana ny namanareo.’ 11 Tsy nety nihaino anefa izy ireo,+ sady mafy hatoka*+ sy nanampin-tsofina.+ 12 Nataony mafy toy ny vato ny fony,+ mba tsy hankatoavany ny lalàna+ sy ny teny nalefan’i Jehovah Tompon’ny tafika tamin’ny alalan’ny fanahiny,+ ka nampitainy tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny.+ Dia tezitra mafy i Jehovah Tompon’ny tafika.”+
13 “‘Koa satria niantso aho nefa tsy nihaino izy ireo,+ dia tsy hihaino koa aho rehefa hiantso izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika. 14 ‘Ary naeliko nanerana ny firenena rehetra+ tsy fantany+ izy ireo, toy ny naelin’ny tafio-drivotra. Lasa lao ilay tany rehefa nilaozan’izy ireo, ka tsy nisy nandalo na niverina nankany.+ Ary lasa nigagan’ny olona ilay tany mahafinaritra,+ noho ny nataon’izy ireo.’”