FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary hataoko misy firenena lehibe avy aminao. Hitahy anao aho, ary hataoko malaza ny anaranao. Koa aoka ianao ho fitahiana ho an’ny olona.+

  • Genesisy 15:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra e! Ary isao ny kintana, raha mahisa azy ianao.”+ Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+

  • Eksodosy 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nihamaro ny zanak’Israely ka lasa be dia be. Nihanitombo isa sy nihanahery tsy nisy toy izany izy ireo ka henika azy ilay tany.+

  • Deoteronomia 26:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary hiteny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao hoe: ‘Syrianina efa saika maty ny raiko,+ ary nidina tany Ejipta+ sy nivahiny tany izy mbamin’ny olona vitsy kely.+ Nanjary firenena lehibe sy mahery ary maro an’isa+ anefa izy tany.

  • Hebreo 11:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Noho izany, dia avy tamin’ny lehilahy anankiray,+ izay toy ny efa maty,+ no nahaterahan’ny maro be, izay toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy tsy tambo isaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara