Isaia 30:31 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 31 Fa hihorohoro i Asyria+ noho ny feon’i Jehovah. Hamely azy amin’ny tehina mantsy izy.+ Isaia 31:8 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 8 Ny Asyrianina dia ho lavon’ny sabatra, nefa tsy sabatr’olona izany, eny, sabatra tsy an’olombelona no handripaka azy.+ Handositra noho ny sabatra izy, ary hampanaovina asa an-terivozona ireo tovolahiny. Isaia 37:37 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 37 Koa niala teo i Sankeriba+ mpanjakan’i Asyria, ka lasa niverina+ tany Ninive+ ary nipetraka tany. Ezekiela 31:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Mitovy amin’ny Asyrianina ianao, ary toy ny sedera any Libanona+ izay tsara tarehy erỳ noho ireo sampany+ misandrahaka sy manome alokaloka! Avo be+ izy ka mipaka amin’ny rahona ny tendrony.+ Ezekiela 32:22 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 22 Any no misy an’i Asyria sy ny vahoaka rehetra ao aminy.+ Manodidina azy ny fasan’ireo Asyrianina. Novonoina daholo ireo, eny, lavon-tsabatra izy rehetra.+
8 Ny Asyrianina dia ho lavon’ny sabatra, nefa tsy sabatr’olona izany, eny, sabatra tsy an’olombelona no handripaka azy.+ Handositra noho ny sabatra izy, ary hampanaovina asa an-terivozona ireo tovolahiny.
3 Mitovy amin’ny Asyrianina ianao, ary toy ny sedera any Libanona+ izay tsara tarehy erỳ noho ireo sampany+ misandrahaka sy manome alokaloka! Avo be+ izy ka mipaka amin’ny rahona ny tendrony.+
22 Any no misy an’i Asyria sy ny vahoaka rehetra ao aminy.+ Manodidina azy ny fasan’ireo Asyrianina. Novonoina daholo ireo, eny, lavon-tsabatra izy rehetra.+