FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 9:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Nangoraka+ izy nony nahita ny vahoaka, satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry+ ireo.

  • Matio 15:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary nantsoin’i Jesosy nankeo aminy ny mpianany ka hoy izy:+ “Mampalahelo+ ahy ny vahoaka, fa efa telo andro izao no nijanonany teto amiko, ary tsy manan-kohanina izy. Tsy tiako anefa ny handefa azy tsy mihinan-kanina, sao ho reraka eny an-dalana izy.”

  • Marka 1:41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Koa nangoraka azy izy+ ka nanatsotra ny tanany sady nikasika azy, ary niteny taminy hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.”+

  • Lioka 7:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Raha vao nahita azy ny Tompo, dia nangoraka+ azy ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany intsony.”+

  • Hebreo 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa tsy maintsy tonga tahaka an’ireo “rahalahiny” izy tamin’ny lafiny rehetra,+ mba ho tonga mpisoronabe mamindra fo sy mendri-pitokisana raha ny amin’ny zavatra momba an’Andriamanitra,+ ka hanolotra sorona fampihavanana+ noho ny fahotan’ny olona.+

  • Hebreo 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Mahay mitondra mora an’ireo tsy mahalala sy manao hadisoana izy, satria ny tenany koa aza mba voahodidin’ny fahalemeny+ ihany,

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara