9 fa ny hitantsika kosa dia i Jesosy, izay efa natao ambany kely noho ny anjely.+ Hitantsika nosatrohana haja amam-boninahitra izy izao satria efa nijalijaly talohan’ny nahafatesany,+ mba ho faty ho an’ny rehetra izy+ noho ny hatsaram-panahy miavaka* asehon’Andriamanitra.
27 Tsy mila manao sorona isan’andro hoatran’ny nataon’ireny mpisoronabe ireny izy, ka hoe mila manao sorona+ noho ny otan’ny tenany aloha, dia avy eo noho ny otan’ny vahoaka.+ Nanao an’izany indray mandeha fotsiny mantsy izy rehefa nanolotra ny tenany.+
7 Ny mpisoronabe irery anefa no miditra ao amin’ilay efitra faharoa, indray mandeha isan-taona.+ Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra,+ izay atolony noho ny fahotany+ sy noho ny fahotana nataon’ny vahoaka+ vokatry ny tsy fahalalan’izy ireo.
12 Indray mandeha fotsiny izy no niditra tao amin’ny toerana masina, nefa tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny, fa ny ran’ny tenany,+ ary tamin’ny alalany no nahazoantsika fanafahana* mandrakizay.+