-
Lioka 19:37, 38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
37 Nanomboka nifaly daholo ny mpianatra maro be, raha vao nanakaiky an’ilay lalana midina amin’ny Tendrombohitra Oliva izy. Ary nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo avo izy ireo, noho ny fahagagana rehetra hitany, 38 ka niteny hoe: “Hotahina anie Ilay Mpanjaka tonga amin’ny anaran’i Jehovah!* Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!”+
-