Fitomaniana
א [Alefa]
1 Indrisy! Mipetraka irery+ ankehitriny ilay tanàna be olona fahiny.+
Nanjary toy ny vehivavy mpitondratena+ ilay tanàna izay be mponina teo amin’ireo firenena!+
Manao asa an-terivozona+ ilay andriambavin’ireo faritany!
ב [Beta]
2 Mitomany be izy mandritra ny alina,+ ary mikoriana amin’ny takolany ny ranomasony.+
Tsy misy amin’izay rehetra tia azy mba mampionona azy.+
ג [Gimela]
3 Lasa an-tsesitany i Joda noho ny fahoriana+ sy ny fanandevozana mafy.+
Voatery monina any amin’ireo firenena izy.+ Tsy mahita fiadanana mihitsy izy.
Nahatratra azy tampoka tao anatin’ny fahoriana ireo rehetra nanenjika azy.+
ד [Daleta]
4 Misaona ireo lalan’i Ziona, satria tsy misy mandeha mamonjy fety.+
Tsy misy olona intsony eny amin’ny vavahadiny rehetra,+ ary misento ny mpisorony.+
Vonton’alahelo ireo virjininy, ary izy koa aza ory dia ory.+
ה [He]
5 Ireo fahavalony no lasa ambony,+ ary tsy manana ahiahy ireny.+
Nampahorin’i Jehovah izy noho ny fandikan-dalàna be dia be nataony,+
Ka lasa babo teo anoloan’ny fahavalony ny zanany.+
ו [Vao]
6 Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny famirapiratany rehetra.+
Toy ny serfa tsy mahita tanimbilona ireo andrianany,+
Ary tsy manan-kery izy ireo mandeha eo alohan’ny mpanenjika azy.+
ז [Zaina]
7 Tamin’ny andro naha ory an’i Jerosalema ka tsy nanan-kialofana ny olony, dia tsaroany
Ny zava-tsarobidy rehetra azony fahiny.+
Rehefa lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony, ary tsy nisy nanampy i Jerosalema,+
Dia nahita izany ny fahavalo, ka nihomehy azy nianjera.+
ח [Heta]
8 Nanota an-kitsirano i Jerosalema,+ ka lasa zava-maharikoriko.+
Izay rehetra nanome voninahitra azy, dia lasa manao tsinontsinona azy+ satria nahita ny fitanjahany.+
Misento koa izy+ ary mitodi-damosina.
ט [Teta]
9 Eo amin’ny akanjony ny fahalotoany.+ Hadinony ny hoaviny.+
Mahagaga ny fomba ianjerany. Tsy misy mpampionona izy.+
י [Yôda]
10 Naninjitra ny tanany haka ny zava-tsarobidiny rehetra ireo fahavalo.+
Nahita firenena niditra tao amin’ny toerany masina izy,+
Nefa ianao efa nandidy hoe tsy mahazo miditra eo amin’ny fiangonanao ireny.
כ [Kafa]
11 Misento avokoa ny olony. Mangataka hanina izy ireo,+
Ary nanome ny zava-tsarobidiny izy ireo mba hatakalo zavatra hohanina, ka hamelombelona azy.+
Jehovah ô, jereo ka diniho fa nanjary toy ny vehivavy tsy misy vidiny aho.+
ל [Lameda]
12 Tsinontsinona aminareo mpandalo rehetra ve izany? Jereo ka diniho:+
Mba misy fijaliana mafy toy izao manjo ahy izao ve,+
Izay fahoriana avy amin’i Jehovah, amin’ny andro ampiharany ny fahatezerany mafy?+
מ [Mema]
13 Avy any amin’ny avo no andatsahany afo ho amin’ny taolako,+ ka ataony manaiky azy ny taolako tsirairay.
Namelatra harato hamandrihana ny tongotro izy.+ Nampihemotra ahy izy.
Nahatonga ahy ho vehivavy nafoy izy. Ary marary foana aho.+
נ [Nona]
14 Mailo foana izy ka hitany ny fandikan-dalàna ataoko.+ Mifamatopatotra eo an-tanany ireny.
Ary miakatra eny amin’ny vozoko ireny.+ Mangozohozo ny heriko.
I Jehovah efa nanolotra ahy teo an-tanan’ireo tsy voatohitro.+
ס [Sameka]
15 Nailik’i Jehovah tsy ho eo anivoko ny olo-maheriko rehetra.+
Nampanao fivoriana izy hamelezana ahy, mba hamotipotehana ny zatovoko.+
I Jehovah dia nanitsakitsaka ny lavaka famiazam-boalobok’i+ Joda zanakavavy virjiny.+
ע [Aina]
16 Noho izany rehetra izany, dia mitomany aho+ ka vonton-dranomaso.+
Fa nanjary lavitra ahy ny mpampionona, izay tokony hamelombelona ahy.
פ [Pe]
17 Namelatra ny tanany i Ziona.+ Tsy misy mpampionona izy.+
Nodidian’i Jehovah ireo rehetra manodidina an’i Jakoba mba ho tonga fahavalony.+
Lasa zava-maharikoriko teo amin’izy ireo i Jerosalema.+
צ [Tsade]
18 Rariny ny an’i Jehovah+ fa efa nikomy tamin’ny teniny aho.+
Mihainoa, ry firenena rehetra, ary jereo ny fijaliako.
Lasa any amin’ny fahababoana ny virjiniko sy ny zatovoko.+
ק [Kôfa]
19 Nantsoiko ireo tia ahy fatratra,+ nefa namitaka ahy ireny.
Ny mpisorona sy ny lahiantitra teo amiko dia niala aina tao an-tanàna,+
Eny, niala aina teo am-pitadiavana zavatra hohanina mba hamelombelomana ny tenany.+
ר [Resa]
20 Jehovah ô, jereo fa azom-pahoriana mafy aho. Mangotikotika ny tsinaiko.+
Feno tebiteby ny foko tao anatiko tao,+ fa nikomy tanteraka aho.+
Tany ivelany dia nandripaka ankizy ny sabatra,+ ary tao an-trano koa nisy fahafatesana.+
ש [Shina]
21 Ren’ny olona hoe misento aho.+ Tsy misy mpampionona aho.+
Ren’ny fahavaloko rehetra ny loza manjo ahy.+ Mifaly izy ireo satria ianao no nanao izany.+
Hataonao izay hiavian’ilay andro efa nambaranao,+ mba hahatonga azy ireo ho tahaka ahy.+
ת [Tao]