FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”+

  • Genesisy 3:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao.+ Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”+

  • Salamo 146:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Miala ny ainy,+ ary miverina amin’ny tany nakana azy izy,+

      Ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.+

  • Ohabolana 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Izay olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana,+ dia ho any amin’ireo maty maro be tsy mahefa na inona na inona.+

  • Mpitoriteny 6:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary na dia atao hoe velona roa arivo taona aza ralehilahy, nefa tsy finaritra amin’ny zava-tsoa,+ angaha moa tsy toerana iray ihany no alehan’ny olon-drehetra?+

  • Mpitoriteny 9:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valin-kasasarana intsony, satria hadino izay nahatsiarovana azy.+

  • Ezekiela 18:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa ahy ny aina rehetra.+ Ahy+ ny ain’ny+ ray, ary toy izany koa ny ain’ny zanaka. Izay* manota+ no ho faty.+

  • Romanina 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota,+ ary fiainana mandrakizay+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika+ kosa no fanomezana+ omen’Andriamanitra.

  • 1 Korintianina 15:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama,+ no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara