Josoa 24:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 “Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah+ ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana,*+ ary ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta,+ ka manompoa an’i Jehovah. 1 Samoela 12:24 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 Matahora+ fotsiny an’i Jehovah, ka manompoa azy amim-pahatsorana* sy amin’ny fonareo manontolo,+ satria jereo ange ireo zavatra lehibe nataony ho anareo e!+ Salamo 43:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.+Aoka ireny no hitarika ahy,+Sy hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra.+ Isaia 38:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 nanao hoe: “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re ny nandehanako+ teo anatrehanao tamim-pahitsiana*+ sy tamin’ny foko manontolo,+ ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao e!” Dia nitomany be izy.+ Malakia 2:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Teo am-bavany ny lalàn’ny fahamarinana,+ ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony. Niara-nandeha tamiko tamim-piadanana sy tamim-pahitsiana izy,+ ary maro no nampiany hiala tamin’ny fahadisoana.+ Jaona 8:32 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 32 ary ho fantatrareo ny marina,+ ary ny marina hanafaka+ anareo.” 2 Jaona 4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Ravoravo tokoa aho nahafantatra fa mandeha ao amin’ny fahamarinana+ ny zanakao+ sasany, araka ny didy voaraintsika avy tamin’ny Ray.+
14 “Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah+ ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana,*+ ary ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta,+ ka manompoa an’i Jehovah.
24 Matahora+ fotsiny an’i Jehovah, ka manompoa azy amim-pahatsorana* sy amin’ny fonareo manontolo,+ satria jereo ange ireo zavatra lehibe nataony ho anareo e!+
3 Alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.+Aoka ireny no hitarika ahy,+Sy hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra.+
3 nanao hoe: “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re ny nandehanako+ teo anatrehanao tamim-pahitsiana*+ sy tamin’ny foko manontolo,+ ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao e!” Dia nitomany be izy.+
6 Teo am-bavany ny lalàn’ny fahamarinana,+ ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony. Niara-nandeha tamiko tamim-piadanana sy tamim-pahitsiana izy,+ ary maro no nampiany hiala tamin’ny fahadisoana.+
4 Ravoravo tokoa aho nahafantatra fa mandeha ao amin’ny fahamarinana+ ny zanakao+ sasany, araka ny didy voaraintsika avy tamin’ny Ray.+