-
Deoteronomia 32:39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Izaho no mamono ho faty, ary izaho no mamelona.+
-
-
Jaona 11:44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, ary mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, sady nifono lamba ny tarehiny. Dia hoy i Jesosy tamin’ny olona: “Vahao izy, dia avelao handeha.”
-
-
Asan’ny Apostoly 9:40, 41Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
40 Nasain’i Petera nivoaka daholo ny olona avy eo,+ ary nandohalika izy ka nivavaka. Dia nitodika tany amin’ilay faty izy, ka niteny hoe: “Ry Tabita, miarena!” Dia nosokafan’i Tabita ny masony, ka nipetraka izy+ raha vao nahita an’i Petera. 41 Natolotr’i Petera azy ny tanany ka natsangany izy. Ary nantsoiny ny olona masina sy ny vehivavy maty vady, dia nasehony azy ireo hoe velona izy.+
-
-
Asan’ny Apostoly 20:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely, ary resin-tory izy raha mbola nanao lahateny i Paoly. Natory be mihitsy izy, ka nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa. Rehefa narenina izy, dia hita fa maty. 10 Nidina anefa i Paoly ka niantoraka teo aminy ary namihina azy,+ dia niteny hoe: “Aza misahotaka intsony fa efa velona izy.”+
-