FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 34:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah ka niteny hoe: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo+ sy mangoraka,*+ tsy mora tezitra,+ tena be fitiavana sy tsy mivadika*+ sady tena tia fahamarinana,*+ 7 be fitiavana sy tsy mivadika amin’olona an’arivony,+ mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana,+ kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy an’izay meloka,+ fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny rainy ny zanany sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.”+

  • Isaia 1:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Avia hifandamina isika”, hoy i Jehovah.+

      “Fa na mena midorehitra aza ny fahotanareo,

      Dia hatao fotsy mangatsakatsaka.*+

      Ary na hoatran’ny ravin-damba mena antitra aza,

      Dia ho toy ny volonondry fotsy.

  • Isaia 44:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Hokosehiko ny fahadisoanao, toy ny hoe hosaronana rahona,+

      Ary hokosehiko ny fahotanao, toy ny hoe hosaronana rahona matevina.

      Miverena amiko fa havotako ianao.+

  • Jeremia 50:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 “Amin’izany andro sy fotoana izany”, hoy i Jehovah,

      “Dia hokarohina ny heloka vitan’ny Israely

      Nefa tsy hisy,

      Ary hokarohina ny fahotan’ny Joda nefa tsy ho hita,

      Fa hamela ny helok’ireo navelako ho velona aho.”+

  • Daniela 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Mamindra fo sy mamela heloka ianao, ry Jehovah Andriamanitray ô,+ nefa nikomy taminao izahay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara