28 Ary nesorin’i Mosesy tamin’i Arona ny akanjo maha mpisorona azy, ka nampitafiany an’i Eleazara zanany. Dia maty teo an-tampon’ilay tendrombohitra i Arona.+ Ary nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy sy Eleazara.
6 “Dia niala tany Berota Bene-jakana+ ny zanak’Israely mba ho any Mosera. Tao no nahafatesan’i Arona sy nandevenana azy.+ Ary i Eleazara zanany no nanao ny asan’ny mpisorona nandimby azy.+
50 Ary aoka ianao ho faty ao amin’io tendrombohitra halehanao io ka hangonina any amin’ny razanao,+ tahaka ny nahafatesan’i Arona rahalahinao tao amin’ny Tendrombohitra Hora+ sy nanangonana azy any amin’ny razany.