FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 14:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary nivoaka nitondra mofo sy divay+ i Melkizedeka,+ mpanjakan’i Salema+ sady mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra.+

  • Zakaria 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Eny, hanorina ny tempolin’i Jehovah izy, ary hahazo voninahitra.+ Dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy ka hanjaka. Ho mpisorona mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana izy.+ Ary hifanaraka tsara ireo andraikiny roa ireo.+

  • Hebreo 5:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Araka ny lazainy any amin’ny andinin-teny hafa hoe: “Mpisorona mandrakizay ianao, tahaka an’i Melkizedeka.”+

  • Hebreo 6:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Tao koa no niditra ho antsika ny mpialoha lalana,+ dia i Jesosy, izay tonga mpisoronabe mandrakizay tahaka an’i Melkizedeka.+

  • Hebreo 7:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tsy nanan-dray izy ary tsy nanan-dreny, tsy nanana tetirazana, tsy nisy fiandohana ny androm-piainany+ sady tsy nisy fiafarana, fa natao nitovy tamin’ilay Zanak’Andriamanitra+ izy, ka mitoetra ho mpisoronabe mandrakizay.+

  • Hebreo 7:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa raha tena nahatonga ny olona ho lavorary+ ny fisoronan’ny+ Levita—satria anisan’ny Lalàna nomena ny vahoaka izy io+—dia inona indray no ilana+ hanendrena mpisorona hafa lazaina hoe tahaka an’i Melkizedeka,+ fa tsy tahaka an’i Arona?

  • Hebreo 7:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 satria izao no voalaza, ho vavolombelona: “Mpisorona mandrakizay ianao, tahaka an’i Melkizedeka.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Firafitry ny Fifanekena
  • Hiditra
Hizara